4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Izaho no nifidy anareo - KT Sambo Fiara FLM Tanjombato

Ndeha hilazao anio izao tontolo izao.

Torio sy ambarao ny didy vaovao.

Izay mbola tsy mandreha ataovy mpianatro,

Satria Izaho no nifidy anareo



Izaho no nifidy anareo e! Hoy Jesosy ka nanendry,

Handeha sy hamoa be be kokoa

Mba aharetan’ny vokatrareo.

Nomen’ny Ray anareo izay rehetra tena soa, lovasoa.

Valim-pitia izay sarobidy indrindra,

Ka hangatao amin’ny Anarako.



O! Mijoro mba ho vavolombelona

amin’ny asa atao sy ny finoana.

Ny asa izay Ataoko no hataovy koa,

Satria Izaho no nifidy anareo.



Haneso anareo ny manodidina

Ka mihorena tsara amin’ny finoana.

Andriamanitra mihaino raha teo,

Satria Izaho no  nifidy anareo.

Partager izaho no nifidy anareo

Commenter izaho no nifidy anareo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe KT Sambo Fiara FLM Tanjombato